Fikambanana ho amin’ny fampirindrana aty Afrika ireo lalàna momba ny raharaham-barotra (OHADA)

ohada
Mampitovy fijery mikasika ny Lalàna OH ADA ireo ankolafy malagasy
Efarana no ampitana amin’ireo mpitsara malagasy ny ambangovangony amin’ny Lalàna OHADA. Tsy ho fehezin’izany Lalàna izany akory ny mpitsara, rehefa miala eo amin’ny Atrikasa nanomboka omaly Talata 3 Septambra 2024 etsy amin’ny ENMG Tsaralalana, fa hanana hevitra ankapobeny mba ahafahana miatrika ny fifampiraharahana rehetra sy izay hiatrehana ny fidirana ao amin’ny OHADA. Hatreto dia mbola tsy mpikambana ao anatin’ ny OHADA isika kanefa mpikambana anatin’ny COMESA sy ny SADC sy ireo mpandamina fiaraha-miasa toy ny COI sy ny IORA izay efa betsaka no ao anatin’ny OHADA.
Isika koa dia miara-miasa akaiky amin’ireo firenena mpikambana sy ireo mpandamina anatin’ny rafitra fivezivezen’ny olona malalaka sy fanana zo hiorina amin’ny dingana efatra amin’ny fampiraisana ny faritra manaraka ny Lalàn’ny OHADA. Rehefa misy ny fifandraisana ara-toe-karena amin’ireo firenena mpikambana ao amin’ny COMESA sy ny SADC ireo tsy maintsy manana Lalàna isika hifanarahan’ny rehetra. Nandray anjara tamin’ity atrik’asa ity ny ENMG, GEM, SIM, FIV.MPA.MA ary ny ACP LEGAL Océan Indien.
Manana andraikitra lehibe ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (MIC) amin’ny fiahiana ireo sehatra tsy miankina. “Mpiara-miasa akaiky amintsika izy ireo satria mampiasa vola ho lasa hetra ary mivadika ho karama. Manentana azy ireo ihany koa amin’ny fanarahan-dalàna. Antenana ny fahavitrihantsika manoloana ny fikambanantsika anatin’ireny vondrona iraisam-pirenena aty Afrika ireny toy ny COMESA, SADC”, hoy ny Sekretera jeneralin’ny MIC Vahinisoa RASAMOELY androany tetsy Tsaralalana. Raha resaka Lalàna no jerena dia misy ny Lalàna mifehy ny firenena iray mba ahafantarana bebe kokoa ny momba ny OHADA, hoy ihany izy.

Vous aimerez aussi...