Fikaonandoham-pirenen’ny fampiasam-bola hisandratan’i madagasikara: Nirodorodo teny amin’ny CCI Ivato ireo mpandraharaha avy any amin’ny faritra

?Mpandraharaha misehatra amin’ny fambolena sakafon’olombelona sy biby fiompy, famokarana savony, fanodinana talapetraka ho lasa fanafody, famokarana herinaratra no niakatra avy any Bongolava hanatrika ny Fikaonandoha teny Ivato ny 28 sy 29 0ktobra 2022. Nitarika azy ireo ny Talem-paritra (DRICC).
?Tonga koa ny avy any Itasy dia ny DRICC sy ny avy amin’ny Antenimieran’ny Varotra sy Indostria (CCI) Itasy. Nahafahany nitafa tamin’ireo mpandraharaha malagasy sy vahiny ho fisokafana amin’ny fampiroboroboana ny fandraharahana izany.
?Nitondra mpandraharaha ara-indostria miisa 8 ny DRICC Ihorombe. Mpandraharaha 2 amin’ireo no nanao fifanarahana an-taratasy narahina fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa. Nahafa-po ireo mpandraharaha ny fandraisana anjara tamin’ny Fikaonandoham-pirenena satria nahafahana nampahafantatra tamin’ny Fitondram-panjakana sy ireo Mpampiasa vola, ireo tetik’asa izay kasaina hatao any amin’ny Faritra Ihorombe .
?Ho an’ny Faritra Sofia dia mpandraharaha ara-indostria 4 no tonga niatrika io fikaonan-doha io. Mpandraharaha manodina ny voankazo, manamboatra savony, manodina voanjo ho lasa menaka ary mpandraharaha manamboatra fromazy izy ireo.

Vous aimerez aussi...