Filan-kevitry ny minisitra

Nomen’ny Filohan’ny Repoblika tso-drano ny Sekretera jeneraly vaovaon’ny COI Edgard Razafindravahy
Niarahaba sy nitso-drano ny Sekretera jeneralin’ny Vaomieran’ny Ranomasimbe Indiana (COI) Edgard Razafindravahy ny Filoham-pirenena omaly Alarobia 24 Jolay 2024, nandritra ny Filan-kevitry ny Minisitra teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha. Hahaleo hahalasana amin’ny andraikitra vaovao izay ho sahaniny, ny Sekretera jeneralin’ny COI, ary hampiakatra avo hatrany an’i Madagasikara. “Fahombiazana ara-diplomatika lehibe ho an’i Madagasikara ny fanendrena teratany malagasy ho Sekretera jeneralin’ny COI izao”, hoy ny Filoham-pirenena.
Nomarihina fa efa manao ny ezaka rehetra isika hamindrana ny birao foiben’ny COI ho eto Madagasikara ao anatin’ny 4 taona manaraka.
Haharitra 4 taona ny fe-potoam-piasan’ny Sekretera jeneralin’ny COI araka ny Fifanarahana Victoria manan-kery. Nanomboka ny 16 Jolay 2024 izany ka hatramin’ny 2028 ho an’Andriamatoa Edgard Razafindravahy izay lany ho amin’io andraikitra io nandritra ny Filan-kevitry ny Minisitr’ireo tany mpikambana ny Alatsinainy 15 Jolay 2024 lasa teo.

Vous aimerez aussi...