Fitsidihana ny ZES Kigali sy ny Africa Improved Food, 8 aogositra 2023, Rwanda

Nitsidika ny Zone Économique Speciale (ZES) ao Kigali ihany koa ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina nandritra ny diany tao Rwanda ny 8 aogositra 2023. Anisan’ny notsidihany tamin’izany ny ozina « Africa Improved Foods », izay mamokatra sakafo voaodina tsara kalitao ho ana mponina miisa 15 millions eto Afrika ary manampy amin’ny ady amin’ny fanjarian-tsakafo indindra eo amin’ny zaza sy ny ankizy.

Ity ZES ao Kigali ity no lehibe indrindra amin’ireo ZES miisa 10 ao Rwanda. Mitsangana amin’ny velaran-tany mahatratra 378 ha ary miisa 150 ireo orinasa sy ozina ao anatiny. Hita ao amin’ity ZES ity ihany koa ny « Kigali innovation city », izay mahakasika ny teknolojia vaovao. Fiaraha-miasan’ny fanjakana rwandais sy mpampiasa vola tsy miankina no nahafahana nanangana azy, ary nahafahana nanangana ireo trano, ireo lalana, nametraka ny tambazotrana herinaratra, ary koa ny internet io fiaraha-miasa io. Efa mahatratra 3 milliara dolara ny fampiasam-bola (investissements) ao amin’ity ZES ao Kigali ity ka mitondra 500 tapitrisa dolara isan-taona ho an’i Rwanda ny fanondranana ireo entana vokarina ao.

Veliranon’ny Filoha Andry Rajoelina moa ny fampiroboroboana ny indostria sy ny fanaovana ny Madagasikara ho maoderina, ary anatin’ny politika fampiarana an’izany ny fananganana ireo ZES mba hisarihana ire mpampiasa vola, sy ireo mpandraharaha. Efa miroso ny asa fametrahana ireo ZES ireo toy ny ao Moramanga sy Taolagnaro, ary mifanindran-dalana amin’izany ihany koa ny amin’ny lafin’ireo lalàna.

Vous aimerez aussi...