Fitsinjovana ny mpanjifa: mitohy tsy tapaka ny fitsinjarana ny Vary Tsinjo sy ny fanaraha-maso eny an-tsena

Isanandro isanandro ny fidinan’ireo mpanara-maso avy amin’ny MICC eny an-tsena ho an’ny eto Antananarivo sy ny manodidina. Ny fitsinjarana ny Vary Tsinjo no nojeren’ny ekipan’ny Foibem-pitondrana misahana ny Fiarovana ny mpanjifa (DPC) akaiky ny Talata 9 Mey 2023 lasa teo. Vary 50 kitapo no naterina tamin’ireo mpivarotra enta-madinika teny amin’ny Fokontany Anosipatrana, Anatihazo, Miandrarivo, Ankaraobato ary Tanjombato tamin’io. Ampiarahina hatrany amin’ny fidinana ifotony toy izao ny fanaraha-maso ny asam-barotra sy ny fitaovam-pandanjana ary ny fanentanana ny mpivarotra hametraka ny vidin’entana sy hanaja ny lalan’ny fitsinjarana.

Nanao fitarainana moa ireo mpivarotra amin’ny tsy tokony hanapahana ny fitsinjarana Vary Tsinjo hialana amin’ny fimenomenoman’ny mpanjifa.

Sary DPC

Vous aimerez aussi...