Fivoriana ara-potoanan’ny parlemanta: nahavita nampandany Volavolan-dalàna roa lehibe sy Volavolan-dalàna fankatoavana iray ny MICC

Volavolan-dalàna momba ny fampiasam-bola sy Volavolan-dalàna hifehy ny Orinasa kaoperativa. Samy lany teny amin’ny Antenimiera roa tonta mpanao lalàna ireo volavolan-drijanteny avy amin’ny MICC ireo nandritra ny fotoam-pivorian’izy ireo izay nifarana ny Zoma 30 Jona 2023 lasa teo.

Ny Volavolan-dalàna voalohany dia ahafahana mampitovy zo ireo mpampiasa vola eto Madagasikara, na eo amin’ireo mpampiasa vola avy any ivelany sy ny eto an-toerana izany, na eo amin’ny samy mpampiasa vola eto an-toerana.

Ny Volavolan-dalàna faharoa, nomen’ireo Solombavambahoaka anarana hoe « Lalàna Edgard » kosa dia hampiroborobo ny famokarana sahanin’ny kaoperativa eny ifotony no sady hahafahan’izy ireo manondrana mivantana ny vokany mankany ivelany tsy misy mpanelanelana.

Ny farany moa dia nolanian’ny Parlemanta koa ny Volavolan-dalàna fankatoavana ny fidiran’i Madagasikara ao anatin’ny fifanarahana ekonomika sy ara-barotra iarahana amin’i Royaume – Uni mba hitazonantsika ny tombontsoa efa azo sy isitrahantsika tombontsoa hafa amin’ny fifandraisana ara-barotra, ny jono ary ny fiarahamiasa ara-tekarena amin’ny britanika.

Vous aimerez aussi...