Hetsika One country one day

Hetsika ONE COUNTRY ONE DAY
Vonona ny firenena indiana hanokatra fiaraha-miasa amin’i Madagasikara, amin’ny alalan’ny teknolojia avo lenta, fampiroboroboana ny indostria ary manentana amin’ny fifanakalozana ara-barotra hatrany zareo.
Azontsika iaraha-miasa tsara amin-ndry zareo indiana ny momba ny angovo azo havaozina, ny momba ny lamba, ny vokatra amidy eny amin’ny farmasia, ny momba ny fiarakodia, ny fanafarana sy fanondranana “épices… Vonona hizara traik’efa sy fahaiza-manao eo amin’ny lafiny fampiroboroboana ny indostria koa i Inde. Navoitra tamin’izany ny fanampian’ny firenena indiana mahakasika ny Taninketsa Indostrialy (ZPI/ODOF).
Notanterahana ny Alakamisy 29 Febroary 2024 ny hetsika One Country One Day izay notontosain’ny MAE sy ny Masoivoho indiana.

Vous aimerez aussi...