Fijerena vahaolana mandritra ny enim-bolana manaraka ho fiarovana ny mpanjifa

Ny Minisiteran’ny Indostria sy ny Varotra ary ny Asatanana sy ny mpivarotra ambongadiny dia miara-mientana sy miara-miasa akaiky amin’ny fijerena vahaolana mandritra ny enim-bolana manaraka ho fiarovana ny mpanjifa manoloana ny zava-misy mikasika ny entana ilaina maika. Nandray ireo mpandraharaha ara-barotra ireo araka izany Rtoa Minisitry ny MICA ny 03 Novambra lasa teo. Nandritra ny fihaonana ihany koa dia nihaino ireo mpivarotra ambongadiny ny minisitera. Mifanaraka amin’izay fiarovana ny mpanjifa izay dia nidina teny amin’ny tsena ny teo anivon’ny DRICA Analamanga nijery ifotony mikasika ny vidiny sy ny fisian’ny entana ilaina andavanandro eny amin’ny tsena ahafahana mamaritra vahaolana miaraka amin’ny mpandraharaha voakasika. Ho fitohizan’ny asa dia hisy ihany koa fihaonana ihany miaraka amin’ireo mpandraharaha mpanafatra entana avy any ivelany sy ireo orinasa voakasika amin’ity herinandro ity.
Ny MICA dia nametraka asa lehibe 3 mazava momban’ny fandrindrana ny entana ilaina andavanandro eny amin’ny tsena: fihaonana miaraka amin’ny mpivarotra ambongadiny, fidinana sy fanaraha-maso ifotony ary fivoriana arahan’asa miaraka amin’ireo mpandraharaha mpanafatra entana sy orisana voakasiky ny PPN.

Vous aimerez aussi...