Iray volan’ny fihavanana: nanatanteraka ny mangarahara ny Minisitra Edgard Razafindravahy nandritra ny fananganan-tsaina

Niavaka tsy toy ny mahazatra isaky ny Alatsinainy voalohan’ny volana ny fananganan-tsain’ny mpiasan’ny MICC androany 12 Jona 2023. Fotoana niantsoan’ny Minisitra Edgard Razafindravahy ny mpiara-miasa aminy hitoroka izay fomba fanao tsy mety “hanimba ny asa sy ny hasin’ny asa” eo anivon’ny Minisitera. Nomeny ny toromarika hametrahana vata fandrotsahana ny fitarainana avy amin’ny mpiara-miasa etsy Ambohidahy sy Anosy.

Nankasitrahan’ny Minisitra Edgard Razafindravahy ny ezaka nataon’ny mpiara-miasa hifehezana ny vidin’entana tao anatin’izay enim-bolana voalohany amin’ity taona ity izay. Ankehitriny ny Minisitera dia efa mitsinjo ny fiavian’ny vanim-potoanan’ny maintso ahitra manaraka no sady mitsinjo hatrany koa ireo tantsaha.

Mikasika ny fampiroboroboana ny indostria dia efa maro ireo milina napetraka manerana ny distrika, ary mbola ho ezahana hatrany ny hanaparitaka izany mandritra ny herinandro manaraka. Natao izany mba  » tsy hanafarantsika entana avy any ivelany”. Efa eo ny milina hanodinana fary ho siramamy, voanjo ho lasa menaka… » hoy ny Ministra.

Nampahatsiahiviny ny nahatafitana lalàna roa teo anivon’ny Antenimiera dia ny Lalàna momba ny fampiasam-bola eto Madagasikara sy ny Lalàna mifehy ny Orinasa kaoperativa.

Hisy hatrany ny hetsika ho fanamarihana ny iray volan’ny fihavanana mba hifanakaikezan’ny mpiara-miasa bebe kokoa.

Vous aimerez aussi...