Journees de programmation industrielle: harafitra ny fandaharan’asa maharitra ho an’ny indostria eto Madagasikara hamaritana ny tondrozotra mazava itondrana ny fampiroboroboana ny indostria eto amintsika.

Nanomboka androany Alarobia 24 Mey 2023 etsy amin’ny Novotel Alarobia ka haharitra telo andro ny atrik’asa momba ny fandaharan’asa maharitra ho an’ny indostria eto Madagasikara. Mandritra izay ihany koa no hanaovana jery todiky ny fanatanterahana ny Velirano fahafiton’ny Filoham-pirenena momba ny fampiroboroboana ny indostria eto Madagasikara tarafina amin’ny fehin-kevitry ny dinika niarahan’ny Fanjakana sy ny Sehatra tsy miankina na ny Dialogue Public Privé (DPP), herintaona lasa izay.

Fandaharan’asa maharitra ho an’ny indostria no ilain’ny firenena, hoy ny Minisitra Edgard Razafindravahy, androany satria “tsy tokony hiankina amin’ny fiovaovan’ny mpitondra ara-politika ny fampandrosoana. Rehefa tsara ny fototra dia tokony hitohy foana izany.” Mitaky fiaraha-mientana sy fandraisan’andraikitry ny mpisehatra rehetra anefa ny fanatrarana ny tanjona.

Nampahatsiahivin’ny Minisitra misahana ny Fampiroboroboana ny indostria fa efa voafaritra niaraka tamin’ny Sehatra tsy miankina ny sehatra rehetra azo trandrahina sy azo ifaninanana dia ny fandraharahana momba ny fambolena, ny lamba, ny fanodinana ny harena ankibon’ny tany, ny momba ny loha-menaka ary ny angovo azo avaozina. “Ho tadiaviana eto ny lalana rehetra ahatongavana amin’ny fahombiazan’ireo fandaharan’asa ireo, ny fomba hanatanterahana azy, ny fepetra handrisihana ny sehatra tsy miankina”, hoy izy tamin’ireo mpandraharaha avy amin’ny sehatra samihafa tonga tetsy amin’ny Novotel, ka ny famoahana ny fifanarahana mazava eo amin’ny Fanjakana sy ny Sehatra tsy miankina no tanjona.

 

Ny Tale jeneralin’ny EDBM (Economic Development Board of Madagascar), Josielle Rafidy moa dia nanasongadina ny anjara andraikitr’ity rafitra ity ho

fampiroboroboana ny indostria, nanasongadina koa ny maha-zava-dehibe izao atrik’asa izao. Ny EDBM dia masoivoho natokana ho amin’ny fanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana, ny fampiroboroboana ary ny fanamorana ny fampiasam-bola tsy miankina.

Vous aimerez aussi...