Lalaon’ny nosy

 » Nahatsapana fientanam-po tamintsika mpiray Tanindrazana ny Lalaon’ny Nosy. Tao ny hafaliana sy ranomaso noho ny anton-javatra samihafa. Ho ahy manokana dia lehibe tamiko ny fifaneraserana tamin’ireo atleta niaro ny voninahi-pirenena tamin’ny naha-mpiahy ny taranja Badminton sy Fibatana fonjamby ahy. Noraisiko ho adidy ny fampakarana ny moralin’izy ireo hiatrika ady sy ny fanampiana ara-pitaovana. Ankasitrahako ny fifanoloran-tanana tamintsika rehetra. Tiako raha mitohy ho mpiara-miombon’antoka amin’ny Federasiona ny Minisitera hanandratantsika ny fanatanjahan-tena ».
Edgard RAZAFINDRAVAHY

Vous aimerez aussi...