Mpikaroka fandikan-dalàna famaizana na heloka

Nohamafisina ny paikady sy ny fomba fiasan’ireo mpanara-maso ny varotra sy fifaninanana
Fampitoviana ny paikady sy ny fomba fiasa ho an’ny Mpanara-maso ny Varotra sy Fifaninanana rehefa manatanteraka ny andraikitra maha-mpikaroka fandikan-dalana famaizana na heloka azy. Niompana tamin’izany ny fampiofanana nomena ireo mpanara-maso ny varotra sy fifaninanana eto anivon’ny MIC, na eto Antananarivo na ny avy any amin’ny faritra, androany Zoma 26 Avrily 2024 tetsy amin’ny Trano fivorian’ny MEF Anosy.
Tafiditra ao anatin’ny fandaharanasan’ny Sendikan’ny mpanara-maso ny varotra sy fifaninanana ny fanamafisana traikefa sy fifampizarana fahalalana indrindra eo amin’ny lalàna velona mifehy ny varotra sy ny fomba amam-panao ara-barotra eto Madagasikara, hoy indrindra ny Filohan’ny Sendikan’ny mpanara-maso ny varotra sy fifaninanana eto anivon’ny MIC.
Nisy ny fiaraha-miasa teo amin’ny Foibem-pitondrana misahana ny Raharaha momba ny Lalàna (DAJ) eto amin’ny Minisitera izay nikarakara ity fampiofanana ity. Nanasàna ny mpitsara avy amin’ny Fampanoavana ao amin’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany hizara ny andinindinin-dalàna eo amin’ny fanatanterahan’ny mpanara-maso ny varotra sy fifaninanana ny andraikitra maha-mpikaroka fandikan-dalàna famaizana na heloka azy ireo izany.
« Misy ny andraikitra nampitaina tamin’ireo mpanara-maso ny varotra sy fifaninanana na eto Antananarivo izany na ny isaky ny faritra. Vonona ny mpandrindra ny fitantanan-draharaha hanohana eo amin’ny fanatsarana mandrakariva ny fomba fiasa ho tombontsoan’ny mpiara-belona eo amin’ny sehatry ny varotra. Maro ny ezaka efa natao ho amin’izany tanjona izany », hoy ny Sekretera Jeneralin’ny MIC, Ranoelimanana Rasamoely Vahinisoa nandritra ny fanokafana ny fampiofanana.

Vous aimerez aussi...