Nitsidika ny foiben’ny orinasa HUAWEI ny Filohan’ny Repoblika sy ny delegasiona malagasy izay tarihiny mandritra izao diany any Sina izao.

Nitsidika ny foiben’ny orinasa HUAWEI ihany koa ny Filohan’ny Repoblika sy ny delegasiona malagasy izay tarihiny mandritra izao diany any Sina izao. Tsy nijanona tamin’ny fitsidihana ihany fa nisy ihany koa ny fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa niarahana tamin’ity orinasa goavana eo amin’ny sehatry haitao ara-kajy mirindra ity. Ankoatra ny fanamafisana ireo fotodrafitrasa fototra ilaina amin’ny haitao ara-kajy mirindra eto Madagasikara, izao fifanaraham-piaraha-miasa izao ihany koa dia mikendry ny fampisitrahana ny tontolo ambanivohitra herinaratra sy aterineto amin’ny alalan’ny tetikasa Rural +. Eo ihany koa ny fanatsarana ny tontolon’ny fanabeazana sy ny fampianarana ambony amin’ny alalan’ny fampiasana ny aterneto sy fifandraisan-davitra. Tanjona ny hahafahan’ny malagasy rehetra misitraka ireo fanavaozana eo amin’ny tontolon’ny haitao ara-kajy mirindra.

Vous aimerez aussi...