One District One Factory

Natolotry ny Filoham-pirenena ho an’ny mponin’Antalaha ny milina fanamainana ireo karazam-boankazo vokatra any an-toerana
Mamokatra voankazo maro ny any Antalaha fa ny olana hatramin’izay dia ny tsy fisian’ny orinasa manodina azy ireny mba ho azo tehirizina sy ho lasa fihariana, ka ho azo aondrana ivelan’ny faritra, hampitombo ny fidiram-bolan’ny tantsaha sy hanatsara ny fari-piainany, hoy ny Filoham-pirenena ny Sabotsy 25 Mey 2024 lasa teo tany Antalaha.
Ity Tetikasa ODOF ity dia mamaly izany, distrika iray hametrahana indostria iray, hoy ihany ny Filoham-pirenena.
Ny Kaoperativa MAMOKATRA ao Antsonasona Antalaha izay manana mpikambana maherin’ny 600 no mitantana ny Orinasa ODOF ao Antalaha araka ny Antso ho an’ny tetikasa (Appel à projet) nataon’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (MIC). Afaka miara-miasa aminy koa ireo kaoperativa rehetra misehatra amin’ny fambolena voankazo.
Manampy ny fampandrosoana ny faritra izao fahazoana fitaovana izao, hoy ny Goverinoran’ny Faritra SAVA, raha nisaotra ny Filoham-pirenena izy nandritra ny laha-teniny.
Faly ireo mpikambana ao amin’ny kaoperativa fa tsy ho simba sy ho very fotsiny intsony ny vokatr’izy ireo manomboka izao.

Vous aimerez aussi...