One District One Factory (ODOF)

Manomboka ny fanodinana ny kakao ho vovony any amin’ny distrikan’Ambanja
Milina mahatoto kakao 1 taonina isan’ora no anjaran’Ambanja amin’ilay Tetik’asa ODOF napetraky ny Filoham-pirenena. Tamin’ity Alakamisy 18 Jolay 2024 ity no nomarihina tamin’ny fomba ofisialy tany an-toerana ny fanombohan’ny asa fanodinana ny kakao ho vonony.
“Napetraky ny Filoham-pirenena ho anisan’ny andry lehibe ho amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara moa ny fampiroboroboana ny indostria, indrindra ny fampiroboroboana ny indostria aty amin’ny faritra. Koa ny eto amin’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (MIC) izay tarihin’ny Minisitra Edgard Razafindravahy no manatanteraka ny fandaminana rehetra sy ny fanapariahana ireo milina ODOF manerana ny Nosy”, hoy ny Talen’ny Fampiroboroboana ny Fandraharahana (DPE) Irène Andriamaneho androany nandritra ny lanonam-pitokanana tao Ambohimena Ambanja, toerana misy ny orinasa ODOF.
Mahatratra 15.000 taonina isan-taona ny vokatra kakao any amin’ny distrikan’Ambanja. Manodidina ny 90 ireo kaoperativa mpamokatra kakao mitsangana ara-dalàna izay ahitana mpikambana an-jatony maro ary afaka mamatsy akora fototra ny milina ODOF ao Ambanja ka anisan’ireny ny Koperativa Sambirano Manongalaza (KOSAMA). Voafantina hitantana ny orinasa kosa ny mpandraharaha S2A Chocolaterie Ambanja.
“Misy fanadihadiana ataon’ny MIC ijerena ny milina mifandraika amin’ny vokatra ka mety amin’ny faritra iray”, hoy ny DPE Irène Andriamaneho nanoloana ny tantsaha mpamokatra, kaoperativa ary ireo manampahefana isan-tsokajiny. Tsy tongatonga ho azy, araka izany ny nametrahana milina fanodinana kakao ho an’Ambanja raha tamin’ny fomba tsotra (artisanale) nanaovana izany teo aloha. Ambanja no renivohitry ny kakao.
Marihina fa ny vokatra « cacao fin » malagasy dia mitazona ny laharana voalohany eran-tany. Izy no manana ny kalitao farany tsara indrindra manerana an’izao tontolo izao ary voamarina “BIO”.
Miteraka asa sy mamelona fianakaviana maro ary manatsara ny fari-piainan’ny tantsaha ny fahazoana milina ODOF. Samy nankasitraka ny fahazoan’Ambanja ny milina fanodinana kakao ireo nandray fitenenana tamin’ity lanonana androany ity.

Vous aimerez aussi...