One district one factory (ODOF)

Taninketsa Indostrialy faharoa notokanana ny Sabotsy teo ny fanodinana tantely ao Sambaina Manjakandriana.

Ankoatra ny tantely voadio sy ara-pahasalamana afaka mifaninana tsara eo amin’ny tsena dia mamokatra savoka, labozia manitra, vokatra fikojakojana tarehy sy menaka fanosotra isan-karazany avy amin’ny tantely koa ny Taninketsa Indostrialy ao Sambaina Manjakandriana. Anisan’ny modely amin’ireo ODOF (One District One Factory) fanodinana tantely izy satria efa nanana traikefa teo amin’ity seha-pihariana ity ny Iloo, mpandraharaha voafantina hitantana ny orinasa.
Tamin’ny Zoma 09 Febroary 2024 lasa teo no notokanan’ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (MIC) Edgard Razafindravahy ity Taninketsa Indostrialy afaka manodina tantely 100 kilao isan’ora ao Sambaina Manjakandriana ity.
“Ireo mpiompy tantely, mpamokatra tantely no hisitraka ilay Tetik’asa hataontsika. Hataontsika izay hahazoan’ireo tantsaha ireo tombony”, hoy izy nanoloana ireo tompon’andraikitra samihafa sy solontenan’ny kaoperativa ary mpiompy tantely. Tsy misy antony hametrahana Tetik’asa toy ny ODOF raha sanatria ka fatiantoka no hitranga.
Tsy hijanona eo amin’ny distrika intsony fa hidina hatrany amin’ny kaominina ny fampiroboroboana ny indostria eny ifotony, araka ny toromariky ny Filoham-pirenena. Ankoatr’ireo milina fanodinam-bokatry ny tantsaha 75 efa tonga ary tsinjaraina amin’ny distrika sy kaominina samihafa dia ho avy koa ny fitaovana hahafahana mametraka Taninketsa Indostrialy miisa 100 vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny Governemanta Indiana.
Ho an’ny distrikan’i Manjakandriana manokana dia samy manana mpiompy tantely avokoa ireo kaominina 25 mandrafitra azy. Nankasitrahan’ny mpandraharaha mpitantana ny ODOF ao Manjakandriana, Nofy Andrianina Rakotondrabary, teto ny Filoham-pirenena sy ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra noho izao Tetik’asa mitsinjo ny tantsaha sy ny mpandraharaha izao. “Ela no nandraharaha fa izao vao tena mipaka aminay ny fanampiana avy amin’ny Fanjakana amin’ny fampitaovana amin’ny alalan’izao milina izao”, hoy izy.

Vous aimerez aussi...