One district one factory (ODOF): notokanan’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina niaraka tamin’ny tantsaha mpamboly mivondrona anaty kaoperativa ny Taninketsa Indostrialy fanodinana voatabia ao Ambatondrazaka

“Tanteraka eto amin’ny distrikan’Ambatondrazaka ny Velirano fahafiton’ny Filoham-pirenena dia ny fampiroboroboana ny indostria ka homentsika tehaka mafy be ny Filoham-pirenena”. Tamin-kafaliana sy horakoraka no nandraisan’ny mponin’Ambatondrazaka ny tenin’ny Minisitra Edgard Razafindravahy.
Notokanan’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina sy ny Praiminisitra Christian Ntsay ary ny Minisitra Edgard Razafindravahy omaly Sabotsy 9 Septambra 2023 tao Ambalabako ny Taninketsa Indostrialy ho an’ny distrikan’Ambatondrazaka.
Ny Filoham-pirenena no nanindry ny bokotra mampandeha ny milina. Vonona ny mpandraharaha hitantana izany hiaraka amin’ireo kaoperativa ivondronan’ny tantsaha.
Tsy ho lo intsony ka ho ariana ny voatabian’Ambatondrazaka noho ny fahazoana Taninketsa Indostrialy. “Manomboka izao ny voatabia, ivondronan’ireo kaoperativa maro, dia haodintsika ho lasa vokatra ho azo tehirizina”, hoy ny Filoham-pirenena nanoloana ireo tantsaha mpamokatra. Ny fahavitan’ny lalana RN 44 dia hahafahana mamoaka vokatra sy mampitombo ny harin-karena. “Tsy ho farany intsony Ambatondrazaka”, hoy izy.
Nohamafisin’ny Filoha Andry Rajoelina ilaina mihitsy ny fanampiana ny mpandraharaha malagasy sy ny kaoperativa toy izao natao tany Ambatondrazaka izao ahafahany mivoatra sy manodina ny vokany. Efa maro, hoy izy ny niarahana tamin’ny Minisitera (MICC) satria any amin’ny faritra hafa dia ozinina fanaovana chips, kobam-bary, menaka sy vokatra hafa koa no napetraka.

Vous aimerez aussi...