One District One Factory(ODOF)

Hahazo tombontsoa amin’ny Taninketsa Indostrialy ny seha-pihariana kakao ao Ambanja

Milina fitotoana voamaina ahafahana manodina ny kakao ho vovony. Hanatsara ny seha-pihariana kakao ao Ambanja ny fanomezan’ny Fanjakana azy Taninketsa Indostrialy mamaly ny filan’ny any ifotony.

Naneho ny haravoany ny solontenan’ny tantsaha mpamokatra kakao sy ny mpisehatra amin’ny asa momba ny kakao ary ireo avy amin’ny kaoperativa isan-tsokajiny raha nandray ny fitaovana avy amin’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana (MICC). Anisan’ireo tazana teny an-toerana ny COCAS (Coopérative des chocolatiers artisanaux du Sambirano).

Omaly Alarobia 25 Oktobra 2023 no nanatanterahana ny fanolorana izany tany Ambanja. Mbola handalo dingana samihafa anefa ny fametrahana ity orinasa fitotoana voamaina ity mba tsy hisy ho matiantoka na ny mpandraharaha hitantana ny orinasa, ny kaoperativan’ny mpamokatra kakao, na ny Fanjakana, araka ny hafatry ny Minisitra Edgard Razafindravahy ombieny ombieny.

Vao tamin’ity volana Oktobra ity moa no navoakan’ny Vondrona iraisam-pirenena momba ny kakao (ICCO) fa voatazon’i Madagasikara ny kalitao kakao tsara indrindra eran-tany.

Sary nomena

Vous aimerez aussi...