One District One Factory(ODOF)

Nomen’ireo Inspektera indostrialy ny mpitantana ny orinasa ODOF ao Andramasina ny toromarika ara-teknika eo amin’ny fomba famokarana sy fampihodinana ny milina
Antenaina hanomboka hamoaka vokatra ato anatin’ny 1 volana eo ho eo ny Taninketsa Indostrialy manodina ovy ho chips ao Andramasina. Efa eo andalam-pametrahana ny orinasa ny mpitantana ankehitriny ka nidina tany an-toerana ireo Inspektera indostrialy ny Zoma 16 Aogositra 2024 nampita ny toromarika ho amin’izany.
Nitarika ireto Inspektera indostrialy avy amin’ny Minisiteran’ny indostria sy ny Varotra ireto tany Andramasina ny Tale jeneralin’ny indostria (DGI) Njiva Rakotoarivonona. Anisan’ny andraikitra nankinin’ny Minisitra Edgard Razafindravahy tamin’izy ireo ny fanamafisana ny traikefa ara-teknika ho an’ireo Taninketsa Indostrialy. Mahavita manodina ovy 1 taonina isan’andro ny orinasa ODOF ao Andramasina.

Vous aimerez aussi...