“Panel Cacao fin” andiany 2023: miady mafy isika Malagasy hitazona ny laharana voalohany amin’ny famokarana kakao tsara indrindra

Modely faka tahaka amin’ny fahombiazan’ny fanavaozana sy fanadiovana ny seha-pihariana ny teo amin’ny kakao. Fanirian’ny Minisitra Egard Razafindravahy ny hametrahana rafitra iraisam-pirenena toy ny ICCO (Vondrona iraisam-pirenena momba ny Kakao) isak’ireo seha-pihariana hafa. “Tokony hivondrona anatin’ny rafitra iray toy io na ireo mpamboly, na ireo mpikirakira, na ireo indostrialy na mpanodina, na ireo mpanondrana, eo ihany koa ny mpividy eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, ahafahantsika mametra marina ny vidin’ny lavanila na ny jirofo”, hoy izy androany Alarobia 14 Jona 2023 taorian’ny famaranana ny fivorian’ireo manam-pahaizana eran-tany miisa 12 avy amin’ny rafi-panjakana sy sehatra tsy miankina misolo tena ireo firenena mpamokatra sy mpanjifa kakao.
Nandritra ny roa andro no nanatanterahana teny amin’ny Radisson Blu Ambodivona ity fihaonana an-tampony momba ny kakao (Panel adhoc du cacao fin) ity. Fotoana nanaovana fifanakalozana sy fifampizarana hanatsarana ny sehatry ny kakao. Nandinihana ihany koa ny momba ny fanavaozana ny lisitra sy filaharan’ireo firenena manodidina ny 20 mpamokatra kakao tsara indrindra.
« Isan’ny reharehan’izao tontolo izao ny kakao antsika eto Madagasikara ary tena niady isika ny hitazona ny laharana voalohany amin’ny famokarana ny kakao tsara indrindra izay misy hanitra mampiavaka azy tokoa (cacao fin aromatique) », hoy ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana. Nentina androany 14 Jona 2023 teo amin’ireo manam-pahaizana manokana moa ny antontan-kevitra momba ny kakao tsara kalitao indrindra malagasy (cacao fin).

Vous aimerez aussi...