Pôle stage Madagascar

Mpianatra 72 eny amin’ny ambaratonga ambony nofanina amin’ny fidirana sy fizaran’asa eny anivon’ny orinasa
Avy amin’ny UCM, ESPA, INPF ary INSCAE izy ireo no nisitraka fifampizarana sy fanentanana momba ny toe-tsaina fandraharahana avy amin’ny ekipan’ny DPE (Foibem-pitondrana misahana ny fampiroboroboana ny fandraharahana) eto amin’ny MICC omaly Alarobia 12 Jolay 2023. Nofaranana tamin’ny fizarana taratasy fanamarinana tetsy amin’ny efitrano fivorian’ny MEF Anosy moa ny fiofanana rehefa naharitra telo andro.
Nifarimbona tamin’ny fizarana traikefa tamin’izany ny teknisiana avy amin’ny MTEFPLS, MICC, SIM, BIANCO ary DHL. Nasongadina ny fanao sy ny fepetra takian’ny tontolon’ny asa.
Fiaraha-miasan’ny MICC, MTLSFP ary ny SIM ny Pôle Stage Madagascar. Hatramin’ny nanombohana ny taona 2021 dia fampiofanana andiany dimy no vita. Notsindrian’ny solontena avy amin’ny MICC tamin’ireo mpandray anjara omaly fa zava-dehibe foana ny miomana mba ho tsara ny ho avy ara-toekaren’ny firenena.
Anisan’ny fitaovana eo am-pelatanan’ny tanora hanomanany ny ho aviny koa ny “Pôle Stage”.

Vous aimerez aussi...