Pôle stage Madagascar: mitohy ny fanomezana fampiofanana ireo mpianatra mialoha ny hiatrehan’izy ireo ny fizaran’asa eny anivon’ny orinasa.

Ho tanterahina mandritra ity herinandro ity etsy amin’ny biraon’ny SIM Tsaralalana indray ny fampiofanana ho an’ireo mpianatra anatin’ilay fandaharanasa Pôle Stage Madagascar (PSM). Andiany voalohany misantatra ity taona 2023 ity izay miisa 25 isaky ny sekoly ambony miara-miasa amin’ny SIM, ny METFPLS sy ny MICC izy ireo.

Maro ny lohahevitra sy ny fampitàna fahaiza-manao omena ireo mpianatra ireo mandritra ny fampiofanana. Ho an’ny MICC manokana dia hiompana bebe kokoa amin’ny fizaràna ny kolontsaina sy toe-tsaina mikasika ny fandraharahana ary ny tontolon’ny fandraharahana izany

Marihana fa sekoly ambony miisa 4 ao anatin’ireo 10 miara-miombon’antoka amin’ny PSM no hisantatra ny fampiofanana ho amin’ity taona 2023 ity.

Vous aimerez aussi...