Taninketsa indostrialy

Tonga any Ihosy ny milina fanodinana mangahazo ho lafarinina.

Naneho ny hafaliany ireo rehetra tonga niatrika ny lanonana fandraisana ny milina ary nanolotra fisaorana sy fankasitrahana indrindra ho an’ny Filoham-pirenena sy ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (MIC).
Tamin’ny Sabotsy 27 Janoary 2024 lasa teo no tonga tao amin’ny Tanànan’Ihosy , renivohitry ny Faritra Ihorombe ny milina indostrialy fanodinana mangahazo ho lafarinana, anjaran’ny distrika amin’ilay Tetik’asa ODOF (One District One Factory). Nandray izany ireo Manampahefana isan-tsokajiny any an-toerana, ny Filohan’ny Antenimieran’ny Varotra sy Indostria (CCI) any amin’ny Faritra Ihorombe , ireo mpiara-miasa ao amin’ny Fitaleavam-paritra (DRIC) Ihorombe, ireo solontenan’ny kaoperativa mpamokatra mangahazo ary ireo avy amin’ny fikambanana tsy miankina maro.
Naneho fahavononana ny solontenan’ny kaoperativan’ny tantsaha mpamokatra mangahazo izay tonga , ary nanome toky fa hamatsy mangahazo ho fampandehanana ny ozinina eo amin’ny famokarana lafarinina . Ny Distrikan’Ihosy dia anisan’ny mamokatra mangahazo betsaka indrindra ao anatin’ny Faritra Ihorombe.
Sary DRICC

Vous aimerez aussi...