Taninketsa indostrialy

taninketsa
Hanala ny olan’ny mpamokatra sy ny mpandraharaha ny milina ODOF fanamainana voankazo any Ambilobe
Hanampy be dia be ireo mpisehatra any amin’ny faritra ny fametrahana ny orinasa ODOF (One District One Factory) fanamainana voankazo ao Ambilobe. Hanamafy koa ny fiaraha-miasa eo amin’ny mpamboly sy ny mpanodina, hanasongadina ny vokatra mampalaza ny any an-toerana ka hiparitahany eo amin’ny tsena anatiny na ivelany izany.
Notokanana ny Sabotsy 24 Aogositra 2024 tany Ambilobe ity milina fanamainana voankazo ao anatin’ny Tetik’asa ODOF ity. Io no orinasa ODOF fahatelo notokanana tany amin’ny Faritra DIANA. Nitarika ny delegasionan’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (MIC) tamin’izao lanonana izao ny Tale jeneralin’ny Fampiroboroboana ny indostria, Njiva Rakotoarivonona. Nanotrona izany ireo manampahefana any an-toerana, ny mpamokatra sy ny kaoperativa, ireo tompon’andraikitra sy sokajin’olona samihafa.

Vous aimerez aussi...