JIOI 2023: notsofin’ny Filoham-pirenena rano sy notolorana fitaovana ireo atleta malagasy hiatrika ny Lalaon’ny Nosy.

Nitso-drano “hahaleo hahalasana, ho lavitry ny aretina ary hibata fandresena” an’ireo mpilalao malagasy hiatrika ny Lalaon’ny Nosy ho sokafana rahafak’ampitso Zoma 25 Aogositra 2023 ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina. Notolorana fitaovana isan-karazany avy ihany koa ireo mpilalao rehetra. Ho an’ny taranja Badminton sy Fitabana fonjamby manokana dia mbola nahazo fitaovana sy fanamiana avy amin’ny FIloham-pirenena izy ireo ankoatr’ireo efa natolotry ny Minisitra mpiahy Edgard Razafindravahy.
« Ianareo no hitondra avo ny voninahi-pirenena. Mametraka ny fanantenana feno eo aminareo ny vahoaka malagasy. Mipetraka ho tantara ny ezaka hataonareo mandritra ity Lalaon’ny Nosy ity. Ary indrindra hampihavana sy haneho ny firaisan-kinan’ny Malagasy iray manontolo ianareo », hoy ny Filoham-pirenena nandritra ny fitsofan-drano ireo atleta malagasy androany tetsy amin’ny Kianja Barea.

Vous aimerez aussi...