Taninketsa indostrialy

Nateriana tany Soanierana Ivongo ny fanamboarana « chips » avy amin’ny akondro sy soanambo.
Nanentana ny mponina hamboly akondro ny Governoran’ny faritra Analanjirofo, Marcelin Randriamanantena, omaly Alatsinainy 10 Jolay 2023, nandritra ny fampisehoana ampahibemaso ny ozinina fanamboarana chips tao amin’ny Tranompokonolona ao Soanierana Ivongo. “Atolotra antsika io fitaovana io hanodinana ny vokatsika. Tsy hisy akondro ho lo sy ho simba intsony aty amintsika”, hoy izy.
Mahatelina akora fototra 100 kilao isan’ora na 1 taonina isan’andro ny ozinina fanamboarana chips ao Soanierana Ivongo. Tsy hampitombo ny vola miditra amin’ny tantsaha fotsiny ihany fa hamaly ny filàna ara-tsakafon’ny mpanjifa koa ny Taninketsa indostrialy.
Mbola nantitranterin’ny Minisitra Edgard Razafindravahy fa fanatanterahana ny Veliranon’ny Filoham-pirenena ny fametrahana ny Taninketsa Indostrialy. Tsy hisy distrika ho adino. “Zava-dehibe satria fivelomana, fihariana no resahina”.
Nifandimby nisaotra sy nankasitraka ny Fitondram-panjakana ny tantsaha mpamboly any Soanierana Ivongo noho ny fahazoany ity ozinina fanamboarana chips ity. “Akondro, betsaka aminay aty. Soanambo tsy lany. Misaotra ny Filoham-pirenena”; “Ela no niandrasana fitaovana toy izao. Tonga izy ankehitriny. Izahay tantsaha tena vonona hamokatra”, hoy izy ireo.

Vous aimerez aussi...