ANDRO MANERAN-TANY HO AN’NY ASATANANA
Ny 10 jona no andro voasafidin’ny Filankevitra eran-tany momba ny asatanana (Conseil Mondial de l’Artisanat) ho andro fankalazana ny asatanana. Isika eto Madagasikara, amin’ny maha mpikambana antsika ao anatin’izany, dia mankalaza izany andro izany mba hanamarihana fa sehatra tena manana ny toerany eo anivon’ny fiainam-pirenena ny asatanana. Mifandray indrindra amin’ny Velorano 6 (Fampiroboroboana ny fananan’asa mendrika ho an’ny rehetra) napetraky ny Filoham-pirenena dia natao ny fanisana ireo mpanao asatanana rehetra izay nifanarahan’ny minisitera sy ny INSTAT ka nahafahana namoaka ny atontan’isa 482 929 mpanao asatanana. Ity sehatra ity ihany koa dia marihana fa sehatra mitondra fihenan’ny tahan’ny tsy fananan’asa noho izy mamorona asa ho an’ny mponina.
Ny asatanana dia tsiahivina fa mifehy sehatr’asa maro saingy vitsy ireo olona mahafantatra ireo sehatr’asa ireo. Izany indrindra no mahatonga ny MICA mivohy ny fanovana fomba fijery (changement de paradigme) mikasika ny asatanana sy asan’ny mpanao asatanana. Isan’izany sehatr’asa izany voafehy ao anatin’ny seha-pihariana miisa 12 ary ao anatin’ny sehatr’asa miisa 157 ohatra ny mpanao mofo, mpanao mofomamy, mpanao tao volo, mpanao trano, mpananamboatra fiara sns… Ny sehatry ny asatanana dia mitana anjara toerana lehibe eo amin’ny fiainana ara-toekaren’ny firenena satria na dia teo ary ny valan’aretina Covid19 dia nahatratra 10 000 000 Euros ny vokatra naondrana tamin’ny taona 2020.
Ho an’ny MICA ho fanatanterahana ny vina rehetra eo amin’ny fampandrosoana ny asatanana eto Madagasikara dia miezaka manao ny:
– Fanamafisana ny fahaiza-manao eo amin’ny mpanao asatanana manerana ny Nosy
– Fampiofanana ara-teknika
– Fitsidihana sy fampirisihana ireo tranom-pamokarana
– Fizarana karatra maha-matianina nomerika
Ao anatin’ny tetikasa sahanin’ny minisitera ho fanatsarana sy fampivoarana maharitra ny sehatry ny asatanana dia hisy kosa ny famelonana indray ny Antenimieran’ny asa sy asatanana, ny hetsika fanomezan-danja ireo sehatr’asa miisa 157, ny famoahana ny boky mirakitra ireo asan’ny mpanao asatanana, ny fanandratana sy fampitomboana ny anjara toeran’ny asatanana malagasy ahafahana miatrika sy mampivelatra ny tsenam-barotra eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ary ny fananganana ny « cité des métiers » sy ny « villages artisanaux » na eto an-toerana na any amin’ny faritra izany.