Taninketsa Indostrialy

Nahazo fanamboarana “glace alimentaire” na gilasy fitehirizana sakafo i Maevatanana
Ireo mpanjono sy mpikirakira hazan-drano, mpivarotra entana mila tehirizina anaty vata fampangatsiahana no anisan’ny voalohany mahazo tombontsoa amin’ny Taninketsa Indostrialy ao Maevatanana. Afaka mamokatra bara gilasy 10 isan’ora ny orinasa ka ny bara gilasy iray dia milanja 12kg.
Mifanaraka amin’ny filan’ny distrika tokoa izany satria fantatra loatra amin’ny hafanana mora manimba ny karazam-bokatra sy sakafo maro i Maevatanana.
Ny Alarobia 18 Oktobra 2023 no natolotry ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana (MICC) tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny “Maison des élus” ao Mevatanana ny fitaovana mifandraika amin’izany. Nitarika ny lanonana ny Talem-paritra (DRICC) mpisolo toerana any Betsiboka. Tonga nanotrona ny manampahefana any an-toerana sy ny solontenan’ny mpahazo tombontsoa.
Sary DRICC

Vous aimerez aussi...