Taninketsa indostrialy: any Sambava no napetraka ny milina voalohany fanamboarana savony

Ny Faritra SAVA indray no nandray ny fitaovana hanatanterahana ny Tetikasa ODOF (One District One Factory) tamin’ity herinandro ity.
Tonga tao Sambava ny Alatsinainy 23 Oktobra 2023 teo ny milina fanamboarana savony ampiasana ny voanio ho akora fototra. Toerana malaza amin’ny voly voanio mantsy iny faritra iny.
Afaka mamokatra savony 4 taonina isan’andro ny indostria ao Sambava. Hahazoana vokatra savony 1 taonina dia mila akora matavy manodidina ny 900kg sy « soude » 400kg.
Iraky ny Minisitra Edgard Razafindravahy nanatitra ny milina tany Sambava ireo Tompon’andraikitra misahana ny Fampiroboroboana ny Indostria eto anivon’ny MICC.
Sary Nomena

Vous aimerez aussi...