Taninketsa indostrialy ao amin’ny distrikan’Ambohidratrimo: efa misokatra ho an’ireo mpandraharaha liana amin’ny fitantanana ny milina fanodinana voatabia ao amin’ny Distrikan’Ambohidratrimo, ny Antso ho an’ny tetikasa (Appel à projet).

Manana hatramin’ny 6 Oktobra 2023 amin’ny 4 ora hariva izy ireo amin’izany.

Ny fanehoana ny fahalianana dia alefa amin’ny adiresy mailaka nfanomezantsoa06@gmail.com sy zpianalamanga.micc@gmail.com ary aterina an-tanana ao amin’ny Biraon’ny Fitaleavam-paritra (DRICC) Analamanga ao amin’ny Immeuble de la Région (ex Faritany) Ambohidahy varavarana 212, Antananarivo 101.

Vous aimerez aussi...