Taninketsa indostrialy: haodina ho chips koa ny ovin’Andramasina

Nahitsy ny Ben’ny Tanànan’Andramasina Nary Rakotomanga raha nanambara androany fa tsy menamitaha amin’i Vakinankaratra ny distrikan’Andramasina raha resaka ovy. “Ara-bidy dia mora kokoa, hoy izy, ny ovin’Andramasina satria akaiky ny renivohitra”.
Hanomezan-danja indrindra ny vokatra eny ifotony hanatsarana ny fari-piainan’ny tantsaha mpamokatra no anisan’ny tanjona amin’ny fametrahana ny Taninketsa Indostrialy.
Tamin’ity Zoma 10 Novambra 2023 ity no natolotra an’Andramasina ny milina fanamboarana chips afaka mamokatra chips hatramin’ny 100 kilao isan’ora. Ny ovy no akora fototra ho aodina satria ovy manodidina ny 25 000 taonina isan-taona no mivoaka avy ao amin’ireo kaominina samihafa ao anatin’ny distrika toy ny kaominina Alatsinainy Bakaro, Fitsinjovana Bakaro, Ambohimiadana, Alarobia Vatosola, Antakafatra. Tsy ovy ihany anefa fa azo anamboarana chips koa na vomanga na saonjo.
Ampahibemaso no nankasitrahan’ny Lehiben’ny Distrika ny MICC tarihin’ny Minisitra Edgard Razafindravahy tamin’ny nanomezana ny fitaovana hanatanterahana ny Tetik’asa Indostria iray isaky ny distrika (One District One Factory). Distrika faha-43 nametrahana ny ODOF Andramasina ary faha-6 ho an’ny ato anatin’ny Faritra Analamanga. “Manantena antsika amin’ny fambolena. Arakaraka ny fahavitrihantsika no ahafahan’ny Fanjakana manampy”, hoy ny Lehiben’ny Distrika raha nitodika tamin’ireo tantsaha mpamboly tonga nanotrona tao amin’ny Tranompokonolona Andramasina.

Vous aimerez aussi...