Vaovaon’ny faritra BOENY: Lojy fotsy 27000 taonina no voahondrana tamin’ny 2021.

Lalam-pihariana sangany amin’ny vokatra fanondrana any amin’ny faritra Boeny ny lojy fotsy na “Black eyes beans”. Ambato Boeny, Tsaramandroso, Anjiajia, Manerinerina, Ambondromamy ary Andranomamy no kaominina ivoahan’ny lojy fotsy be indrindra.
Misahana ny fanaraha-maso ny kalitaon’ny vokatra fanondrana toy ny lojy fotsy ny DRICC mba ho antoka aminy tsena mirindra sy maharitra. Vinavinaina hivelatra amin’ny voamaina fanondrana hafa ny fampanaraham-penitra amin’ity taona 2022 ity.

Vous aimerez aussi...