Taninketsa indostrialy: milina fanamboarana chips ho an’i Vohemar

Faratsiho, Betafo, Brickaville, Soanierana Ivongo, Toliara I, Ankazobe…Vohemar no distrika faha-7 nisitraka milina fanamboarana chips anatin’ny Tetik’asa ODOF (One District One Factory). Mahatelina akondro 100 kilao isan’ora ny Taninketsa Indostrialy ao Vohemar. Izany hoe raha mihodina adim-pamataranandro 10 isan’andro dia mila akondro 1 taonina isan’andro.

Naseho ho hitan’ny tantsaha mpamokatra sy ny solontenan’ny kaoperativa any Vohemar ity fitaovana avy amin’ny Fanjakana ity ny Talata 24 Oktobra 2023. Hampivoatra ny famokarana chips izay seha-pihariana efa nirobohan’ny ampahan’ny mponina any an-toerana ny fahatongavan’ny milina. “Tsy ny lavanila ihany no fitadiavam-bola. Aoka isika hamokatra amin’ny tanintsika ahafahantsika mivelona tsara amin’ity faritra SAVA ity”, hoy ny mpikambana avy amin’ny Fikambanam-behivavy 8 Mars nanentana ny vehivavy toa azy tany Vohemar. Nampitombo ny risi-pony hamboly ny fahatongavan’ny milina fanodinana ny vokatry ny tany ho lasa chips.

Namaranana ny dian’ireo iraky ny Minisitra Edgard Razafindravahy nametraka ny Taninketsa Indostrialy tany amin’ny Faritra SAVA i Vohemar.

Sary Nomena

Vous aimerez aussi...