Taninketsa indostrialy: naneho fahavononana hitantana ny Milina fanodinana tantely any Mahajanga ny mpandraharaha roa sy kaoperativa iray

Telo izy ireo no naneho fahalianana ka namaly ny Antso ho an’ny tetikasa (Appel à projet) ifantenana izay hitantana ny indostria fanodinana tantely any Mahajanga. Nivory nandinika ny atontan-taratasin’izy ireo ny Komity nahitana ny avy amin’ny DRICC Boeny, CCI, Governora, Distrika Mahajanga II, DRAE, PTF, Plateforme MIEL ny Alatsinainy 17 Aprily 2023. Tapaka tamin’izany fa ilaina ihany koa ary takiana amin’ny mpifaninana ny taratasy maha-ara-dalàna ny orinasa sy porofo ahafahana manazava ny valin’ny fanontaniana ao amin’ny fanontaniana lasitra novolavolain’ny komity. Ny Talata 25 Aprily 2023 teo no fara-fandraisana ireo atontan-taratasy fanampiny ireo.

Nialohavan’ny fanentanana sy fanazavana tamin’ny alalan’ny peta-drindrina sy haino aman-jery nataon’ny DRICC Boeny izany rehetra izany. Nampahafantarina ny mponin’i Mahajanga ny momba ny Taninketsa Indostrialy sy ny lalan-tsaina itondrana azy ho fanatanterahana ny Veliranon’ny Filoham-pirenena.

Sary DRICC

Vous aimerez aussi...