Taom-panondranana 2024

Mitentina 756 996,5 Dolara ireo lojy fotsy mainty maso andiany voalohany nalefa any ivelany.

Aty amin’ny 20 andro taorian’ny fisokafan’ny taom-panondranana ho an’ny faritra Boeny no niainga ny andiany voalohany amin’ireo lojy fotsy mainty maso ho aondrana any ivelany. Sambo roa an’ny kaompaniam-pitaterana an-dranomasina MSC no nitondra an’ireo vokatra milanja 1350 taonina ireo niala ny morontsirak’i Madagasikara ny Alahady 30 Jona 2024 lasa teo.
Miantoka ny fanaraha-maso ny kalitaon’ny vokatra lojy fotsy mainty maso miondrana avy ao Mahajanga moa ny Sampandrahara misahana ny varotra ao amin’ny Fitalevam-paritry ny Fampirobroboana ny indostria sy ny Varotra (DRIC) Boeny amin’ny alalan’ny rantsamangaikany “Poste de Contrôle du Conditionnement ».
Sary DRIC

Vous aimerez aussi...