Taom-piotazana 2024

Miomana amin’ny fisokafan’ny Tsenan-davanila ny any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana.

Atrik’asa namaritana ny toerana hisy ireo Tsenan-davanila voaara-maso (marché contrôlé), ny fepetra sy ny Lalàna manan-kery momba izany no notanterahana tao Farafangana tamin’iny herinandro lasa iny. Nandray anjara tamin’izany ny manampahefana eny an-toerana sy ireo Tale isan-tsokajiny izay voakasiky ny vokatra lavanila, ireo Ben’ny tanàna avy amin’ny kaominina mpamokatra lavanila ary ny Tetik’asa PIC3.
Tamin’izany no nanentanan’ny Talem-paritry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (DRIC) Atsimo Atsinanana ny amin’ny hitandrovana ny lalàna mifehy ny lavanila mba hananana kalitao tsara takian’ny tsena. Hanara-maso hatrany moa ny tompon’andraikitra isan-tokony aloha na mandritry ny fotoana hiotazana sy hamarotana izany vokatra Lavanila izany.
Ho an’ny faritra Anosy moa dia tao Volobe no nanombohana ny Tsenan-davanila voaara-maso taorian’ny fisokafan’ny taom-piotazana. Nisantatra izany ny mpividy Lovien izay nividy lavanila 700 kilao ny 20 sy 21 Jona 2024.
Sary nomena

Vous aimerez aussi...