Tontolon’ny fandraharahana: nankatoavina teo amin’ny asam-baomiera ny Volavolan-dalàna momba ny Fampiasam-bola eto Madagasikara

Tontolo andro no niadiavan-kevitra mikasika ilay Volavolan-dalàna momba ny Fampiasam-bola teo anivon’ny vaomiera teny amin’ny Antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza omaly Alatsinainy 15 Mey 2023. Nankatoavina teo amin’ny asam-baomiera izany rehefa nasiam-panovana ny andininy iray ho fiarovana ny mpiasa malagasy. Tsy tokony hihoatra ny 20%-n’ny mpiasa ao amin’ny orinasa ny mpiasa vahiny avy any ivelany ary matoa mampiditra mpiasa avy any ivelany dia noho ny fahaiza-manao tsy hita eto an-toerana.

Nodinihina isan’andininy moa ity Volavolan-dalàna ity omaly tamin’ny asam-baomiera. Dingana manaraka ny eo anivon’ny Fivoriam-be izay tompon’ny teny farany.

Vous aimerez aussi...