Vaomera misahana ny fanavaozana ireo lalàna momba ny fandraharahana (CRDA)

𝗡𝗼𝗱𝗶𝗻𝗶𝗵𝗮𝗻𝗮 𝗻𝗮𝗻𝗼𝗹𝗼𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗖𝗥𝗗𝗔 𝗻𝘆 𝘃𝗼𝗹𝗮𝘃𝗼𝗹𝗮𝗻-𝗱𝗶𝗱𝗶𝗺-𝗽𝗮𝗻𝗷𝗮𝗸𝗮𝗻𝗮 𝗳𝗮𝗺𝗽𝗶𝗵𝗮𝗿𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗟𝗮𝗹𝗮̀𝗻𝗮 𝗺𝗶𝗳𝗲𝗵𝘆 𝗻𝘆 𝗢𝗿𝗶𝗻𝗮𝘀𝗮 𝗸𝗮𝗼𝗽𝗲𝗿𝗮𝘁𝗶𝘃𝗮

crad
 
Ny momba ny fangatahana fanorenana Orinasa kaoperativa eny amin’ny tompon’andraikitra mahefa; ny fitsipika mifehy ny fivoriam-be fanorenana; ny fandidian’ny filankevi-pitantanana; ny fomba fanendrena sy fandidian’ny mpanara-maso ny Orinasa kaoperativa ; ny fiaraha-miasa eo amin’ny Orinasa kaoperativa sy ny Fanjakana ary ireo mpiara-miombon’antoka sns… Ireny rehetra ireny no ho voarakitra ao amin’ny volavolan-didim-panjakana fampiharana ny Lalàna vaovao mifehy ny Orinasa kaoperativa lah. 2023-016 tamin’ny 11 Aogositra 2023. Raha misy andininy 240 ny Lalàna momba ny Orinasa kaoperativa dia andininy 19 kosa no ho ao amin’ilay volavolan-didim-panjakana fampiharana.
Omaly Alakamisy 12 Septambra 2024, tetsy Antaninarenina, no nandinihan’ny CRDA ny momba ny rijan-teny nandrafetana izany volavolan-didim-panjakana fampiharana izany alohan’ny anolorana azy eo anoloan’ny Filankevitry ny Governemanta sy Filankevitry ny Minisitra. Nahitana ny Tale misahana ny Raharaha momba ny Lalàna (DAJ), ny Talen’ny Fampiroboroboana ny Fandraharahana sy ireo teknisiana mpiara-miasa ny ekipan’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (MIC) nandray anjara tamin’ny fivoriana. Teo koa ny Tetik’asa NCBA CLUSA izay mpiara-miasa akaiky amin’ny Ministera eo amin’ny sehatry ny fampiroboroboana ny Orinasa kaoperativa eto Madagasikara.

Vous aimerez aussi...