Vaovao avy any Toamasina

Nesorina teo ambony sambo avokoa ireo vary 35 taonina nokasaina halefa any Tolagnaro. Nosokafana ny fanadihadina momba ireo vary simba 35 gony.

Nidina teny amin’ny Seranantsambon’i Toamasina, nijery ifotony ireo vary simba 35 gony tanatin’ireo 35 taonina saika nalefa tany Tolagnaro, ny ekipan’ny Fitaleavam-paritra (DRICC) Atsinanana androany Alarobia 10 Janoary 2024 maraina. Fanapahan-kevitra noraisina ny fampidinana sy famerenana ireo vary ireo any amin’ny fanatobian’entan’ny tompony. Vantany vao vita izany dia tanterahana ny fombafomba hanadihadiana ny momba ireo vary simba ireo.
Nikasa hanainga tao Toamasina ho any Tolagnaro, ny alin’ny 09 hifoha 10 Janoary 2024 moa ity sambo nahitana ireo vary simba ity. Teratany vahiny (Indo-pakistanais) no tompon’ireo vary ireo.
Sary nomena

Vous aimerez aussi...