Vaovao Songadina avy any amin’ny faritra Amoron’i Mania sy Melaky ary Atsimo Andrefana

?AMORON’I MANIA: Fitaovam-pandanjana 158 no voatsara tamin’iny herinandro lasa iny tao Ambositra. Ny 150 tamin’ireo dia mizana Roberval ka ny 62 no tsy maintsy nampanamboarina. Nentina teny amin’ireo mpanamboatra nahazo fankatoavana koa ny mizana Bascule 6 tamin’ireo 8 notsaraina. Izany no natao dia ho fiarovana ny mpanjifa. Amin’ity herinandro ity dia hikisaka any Fandriana sy Sandrandahy ireo mpanara-maso sy mpitsara fitaovam-pandanjana avy amin’ny Fitaleavam-paritry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (DRIC) ireo.
?MELAKY: Ho arindra ny fanangonana katsaka ataon’ny Orinasa SAHANALA any amin’ireo tantsaha mpamokatra. Hisy fidinana any amin’ireo kaominina 7 iasan’ny SAHANALA hanaovana fanentanana sy fanazavana amin’ireo mpikambana amin’ny kaoperativa mpamboly katsaka izay tohanany, momba ny fomba fanangonam-bokatra sy ny lamina fiaraha-miasa miaraka amin’ny tompon’andraikitry ny Kaominina. Ny Alarobia 5 Jona 2024 lasa teo no nandraisana ny fanapahan-kevitra nandritra ny fivoriana niarahan’ny avy ao amin’ny SAHANALA sy ireo Fitaleavam-paritra voakasika toy ny DRIC Melaky.
?ATSIMO ANDREFANA: Kaoperativa 5 misehatra amin’ny jono an-dranomasina, vatsian’ny Tetik’asa « Catholique Relief Service (CRS) » ary mamelona tokantrano miisa 250 no nomen’ny ekipan’ny DRIC Atsimo Andrefana fampiofanana. Tany amin’ny Kaominina ambanivohitra Anakao, Distrikan’i Toliara II no nanatanterahana izany nandritra ny telo andro nanomboka ny Alakamisy 06 Jona 2024 . Nandritra izany dia nisy ny fampahafantarana manokana mikasika ny Tetik’asa « ODOF » tamin’ireo mpiofana izay nahaliana azy ireo.

Vous aimerez aussi...