Vaovao Songadina avy any amin’ny faritra Analanjirofo, Analamanga sy Menabe

?ANALANJIROFO: Manatanteraka atrikasa iraisam-paritra mahakasika ny seha-pihariana kanely any Foulpointe androany Talata 27 Septambra 2022 ny DRICC Analanjirofo sy Atsinanana. Hetsika iarahana amin’ny Tetikasa CASEF izay natao andrafetana ny fitsipika teknika momba ny seha-pihariana kanely. Ny tanjona dia ny hamoahana antontan-kevitra entina hanamorana sy hanamaivanana ny fombafomba rehetra ilaina amin’ny famokarana, fivarotana ary fanondranana kanely eo anivon’ireo faritra roa ireo.
?ANALAMANGA: Vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny FORMAPROD dia tontosa ny dingana voalohany izay fampiofanana sy fananganana kaoperativa tany Ambohibeloma, Mangamila ary Anjozorobe. Kaoperativa 3 araka izany no nijoro dia ny Mitsinjo, Mihary, Miavotra izay misahana ny fambolena vomanga. Ny tanora no tena nomena sehatra tamin’ny fananganana ireo kaoperativa ireo.
?MENABE: Fitaovam-pandanjana sy famarana fampiasa any an-dakozia miisa 7 no hita teny amin’ny mpivarotra tao Morondava. Nasaina nesorina avy hatrany ireo ka nosoloina fitaovam-pandanjana tokony ho izy. 22 ny fitaovam-pandanjana voaara-maso tany an-toerana omaly 26 Septambra 2022. Mitondra fanentanana sy fanazavana hatrany amin’ireo mpivarotra ny ekipan’ny DRICC.
Sary DRICC

Vous aimerez aussi...