Vaovao songadina avy any amin’ny faritra Atsimo andrefana, Analanjirofo ary Vakinankaratra

?ATSIMO ANDREFANA: Voafaritra mazava ny teti-bola ho ampiasaina hikarakarana ny fifidianana ireo mpikambana maharitra hitantana ny Antenimeran’ny Varotra sy Indostria (CCI). Nahazo fankatoavana koa ny kaontim-bola nampiasaina nandritra ny taona 2023 sy ny teti-bola ampiasaina mandritra ny taona 2024. Notanterahana ny Zoma 20 Septambra 2024 tao amin’ny efitrano malalaky ny CCI Atsimo Andrefana ny Fivoriam-ben’ny mpikambana vonjimaika mitantana ny CCI any amin’ny Faritra Atsimo Andrefana.
?ANALANJIROFO: Notontosaina ny 21 Septambra 2024 tao amin’ny kaominina ambanivohitra Mahambo ny fandorana ireo vary simba 201 gony vokatry ny sampona ara-teknikan’ny sambo nitondra azy raha saika hihazo an’i Maroantsetra. Natrehan’ireo tompon’andraiki-panjakana any an-toerana. Ankoatry ny avy amin’ny Fitaleavam-paritry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (DRIC) Analanjirofo izay nitarika ny hetsika dia teo ihany koa ny Governoran’ny Faritra mpisolo toerana, ny Lehiben’ny Fileovana Fenoarivo Atsinanana, ny Talem-paritry ny Tontolo iainana, ny avy ao amin’ny zandarmaria ary ny avy ao amin’ny kaominina.
?VAKINANKARATRA: Amin’ny 16 Oktobra 2024 no anjaran’ny DRIC Vakinankaratra hitondrany fanazavana manodidina ny ODOF (One District One Factory) sy ny fampiroboroboana ny indostria manoloana ireo tompon’andraikitra rehetra any amin’ny Faritra. Izany no anisan’ny fandaminana noraisina nandritra ny fivoriana nokarakarain’ny avy ao amin’ny Faritra Vakinankaratra anomanana ny PSEV (Point de situation de l’émergence de Vakinankaratra).
Sary DRIC

Vous aimerez aussi...