Vaovao songadina avy any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana sy Vakinankaratra ary Amoron’i Mania

?ATSIMO ATSINANANA: Nisokatra ny Talata 11 Jona 2024 ny taom-piotazana sy fivarotana kafe any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana, araka ny Didim-pitondrana noraisina teo anivon’ny Faritra. Hentitra ny fanaraha-maso amin’ny fivezivezen’ny vokatra amin’ny resaka tsy fanaran-dalàna satria vokatra tsara kalitao no ilaina hivoaka any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana.
?VAKINANKARATRA: Nankalazaina ny 14 sy 15 Jona 2024 ny  » Andron’ny ronono » tao Vakinankaratra. Fotoana iray izay nampisongadinana amin’ny alalan’ireo trano heva manodidina ny 30 ireo vokatra azo avy amin’ny fanodinana ny ronono ao Vakinankaratra. Isan’ny nanana trano heva nandritra izany ihany koa ny Fitaleavam-paritra (DRIC) Vakinankaratra sy ireo mpisitraka ODOF ao anatin’ny Faritra Vakinankaratra izay ahitana ny Orinasa Ampalia sy ny Kaoperativa Fanirisoa Betafo. Tonga tany an-toerana koa ny Tale jeneralin’ny ANMCC niaraka tamin’ny mpiara-miasa maro.
?AMORON’I MANIA: Fitaovam-pandanjana 99 tsy misy nokianina; ny 20 tsy maintsy nasiam-panamboarana. Izany no vokatry ny fitsarana fitaovam-pandanjana nataon’ny ekipan’ny SRC ao amin’ny DRIC Amoron’i Mania tany amin’ny kaominina ambonivohitra Fandriana sy kaominina ambanivohitra Sandrandahy ny herinandro lasa iny.

Vous aimerez aussi...