Vaovao songadina avy any amin’ny faritra Boeny, Betsiboka sy Androy

?BOENY: Fikambanam-behivavy mpanao asa tanana manana mpikambana 100 misehatra amin’ny rary sy zaitra miorina ao amin’ny Petite plage any Mahajanga no nisitraka fiofanana momba ny fananganana sy fitantanana koperativa. Rehefa nahafeno ireo fepetra takiana izy ireo dia tonga nanolotra ny « certificat d’enregistrement » izay maha ara-dalàna ny fitsanganan’ny Kaoperativa MENA TSARA ny ekipan’ny DRICC Boeny izay notarihin’ny Talem-paritra (DRICC).

?BETSIBOKA: Nijery ny kalitaon’ny hena amidy any an-toerana ny ekipan’ny DRICC ny Alatsinainy 15 Mey 2023. Hita fa voamarin’ny dokoteram-biby isaky ny mamono biby ny hena alohan’ny hamarotana azy eny an-tsena saingy tsy mampiasa Fitomboka hanamarinana izany izy ireo. Araka izany dia hanomana fihaonana manokana amin’ireo dokoteram-biby ny Fitaleavam-paritra hanatsarana ny fomba hiaraha-miasa no sady ho fampahafantarana sy hanomanana ny fampiharana ihany koa ny Karatry ny mpivaro-kena any an-toerana.

?ANDROY: Notontosaina ny Talata 16 Mey 2023 tao amin’ny efitranon’ny CCI Faritra Androy ny fivoriana voalohany ho an’ ireo mpikambana vaovao mandrafitra ny Antenimieran’ny Varotra sy Indostria. Nanatrika izany ny avy amin’ny DRICC Androy sy ireo sampandraharaha ara-bola toy ny Tahirimbolam-panjakana, ny Fanaraha-maso ny vola ary ny Sampandraharaham-paritra momba ny Tetibola. Samy nitondra fanazavana ny anjara birikiny mba ho fanatsarana sy ho fampandrosoana ny CCI Androy ireo solontena nivory.

Sary DRICC

Vous aimerez aussi...