Vaovao songadina avy any amin’ny faritra Bongolava, Menabe sy Vakinankaratra

?BONGOLAVA: Tontosa ny hetsika fitsarana faobe ny fitaovam-pandanjana izay natao ny 02 ka hatramin’ny 06 Mey 2023 tao amin’ny kaominina Maritampona sy Bemahatazana. Mizàna miisa 133 no voatsara ka ny 29 tamin’izany dia nogiazana avokoa ary nalefa avy hatrany any amin’ireo mpanamboatra nahazo fankatoavana. 402 kosa ireo vato mizàna voamarina sy nahitsy. Nankasitrahan’ny mpanjifa sy ireo tantsaha mivarotra vokatra amin’ireo mpambongady ny hetsika.

?MENABE: Manodidina ny 330 ny isan’ireo mpandraharaha nolalovana ary 430 ireo santionan-tsira nalaina teny amin’ireo mpandraharaha ireo anaovana fitiliana ny tahan’ny ioda ao anatiny. Tany amin’ny distrikan’i Morondava, Belo sur Tsiribihina ary Miandrivazo no nanatanterahana izany. Niarahan’ny DRICC nanatontosa tamin’ireo sampandraharaham-panjakana maromaro toy ny avy ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Fahasalam-bahoaka sy ny avy ao amin’ny Ofisim-paritry ny fanjarian-tsakafo ny hetsika.

 

?VAKINANKARATRA: Hifarana anio Sabotsy 13 Mey 2023 rehefa notanterahana tao Antsirabe nandritra ny telo andro ny fampiofanana mikasika ny fandraharahana » Startup Challenge M » izay karakarain’ny Capital M ka iarahany miasa amin’ny Federasionan’ny Antenimieran’ny Varotra sy Indostria eto Madagasikara (FCCIM). Mpiahy izao hetsika izao moa ny MICC ka nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy ny solontenan’ny Governora niaraka tamin’ny Talem-paritra (DRICC), ny avy amin’ny FCCIM sy ny CCI Antsirabe.

Sary Dricc

Vous aimerez aussi...