Famindran-dRamatoa Rakotomalala Lantosoa ny fitantanana tamin’ny minisitra vaovao, Andriamatoa Razafindravahy Edgard
Tontosa androany maraina teto amin’ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra ary ny Fanjifana ny lanonana famindran-dRamatoa Rakotomalala Lantosoa ny fitantanana tamin’ny minisitra vaovao, Andriamatoa Razafindravahy Edgard.
Nisaotra an’ireo mpiara-miasa rehetra teo aloha Ramatoa Rakotomalala Lantosoa sady nirary ny minisitra vaovao hahaleo hahalasana amin’ny adidy ampiandraiketina aminy.
Nankasitraka ny minisitra teo aloha tamin’ireo asa vita na izay natomboka kosa ny minisitra vaovao, Andriamatoa Razafindravahy Edgard. Mampanantena ny fanatsarana an’ireo ezaka notanterahana hatramin’izay ny minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra ary ny Fanjifana nandritra an’izao fandraisany ny toerany izao.
Teboka maromaro sahady no natsidiky ny minisitra Razafindravahy Edgard ao anatin’ireo asa maika hatao :
-Fidinana ifotony any amin’ny faritra Alaotra Mangoro amin’ity herinandro ity, izay hihaonany sy ny ekipan’ny minisitera ami’ireo tantsaha mpamokatra vary. Hamaritana ny vidim-bokatra miaraka amin’izy ireo mba hahafahana mijery ny sara tena izy tokony hihatra hatreny amin’ny mpanjifa ;
-Famantarana ny anton’ny fidangan’ny vidin’entana amin’izao fotoana izao ;
-Fifampidinihina amin’ireo mpisehatra rehetra amin’ny lalam-pihariana mikirakira ny entana ilaina andavanandro na PPN mba handrafetana paikady matotra sy azo hampiharina avy hatrany ho fanalefahana ny sondrom-bidy ;
-Fihaonana amin’ireo mpandraharaha amin’ny mpandraharahan’ny Indostria manoloana ny fanarenana ara-toekarena maika aorian’ny valanaretina Covid-19
-Ary isan’ny goavana indrindra amin’ireo santionan’ny politika hoentin’ny ekipan’ny minisitra vaovao Razafindravahy Edgard ny ady amin’ny endrika tsy fanarahan-dalàna isan-karazany sy ny fanararaotana amin’ny lalan’ny entana ilaina andavanandro hatreny amin’ny tsena