Vaovao Songadina avy any amin’ny faritra DIANA, Vakinankaratra ary Atsimo Andrefana

Mitohy ny asa fiahiana ny mpanjifa sy fanaraha-maso ny tsena anatin’izao fetin’ny Paka izao
?DIANA: Natomboka omaly Alahady 31 Marsa 2024 ny famarotana vary mora 600 Ar/kapoaka tao anatin’ny Distrikan’ Ambilobe araka ny fampanantenana nataon’ny Filoham-pirenena tamin’ny fandalovany nijery ireo traboina. Vary 5 taonina no naparitaka tamin’ny fokontany maromaro ary mbola hitohy mandritra ny andro vitsivitsy izany hetsika izany.
?VAKINANKARATRA: Nanara-maso ny vidin’entana teny an-tsena sy nitsirika ireo tahirin’entana ny avy amin’ny Fitaleavam-paritra (DRIC) ny Sabotsy 30 Marsa 2024. Tsy nahitana fisondrotana ny vidin’ireo entana ilaina andavandro. Nentanina tamin’ny alalan’ny peta-drindrina teny amin’ny tsena ao Antsirabe koa ny mpanjifa mba hiantso ny tompon’andraikitra eo anivon’ny DRIC Vakinankaratra raha mahita tranga fanararaotana.
?ATSIMO ANDREFANA: Mizana 14 amin’ireo 90 nanaovana fitsirihana no tsy maintsy nogiazana tao an-tanànan’i Toliara ny Alakamisy 28 Marsa 2024. Simba ka tsy maintsy nampanamboarina eny amin’ny mpanamboatra nahazo fankatoavana kosa ny mizana 24. Izany no vokatry ny fisavana tampoka ny fitaovam-pandanjana sy fitaovam-pamarana ampiasain’ireo mpivaro-kena sy mpivarotra entana ilaina andavanandro nataon’ny ekipa mpanara-maso ny varotra any Atsimo Andrefana.

Vous aimerez aussi...