Vaovao Songadina avy any amin’ny faritra Itasy sy Atsinanana

?ITASY: Nosokafana tany Miarinarivo ny Zoma 23 Febroary 2024 ny hetsika fampiroboroboana ny Fandraharahana eny ifotony manaja ny tontolo iainana sy fanapariahana ny Taninketsa Indostrialy ao anatin’ny distrika 3 any amin’ny faritra Itasy. Niara-nientana tamin’izany ireo solontenan’ny mpikambana CCI Itasy, ny kaoperativa ary ireo mpiara-miombon’antoka aminy (Planète urgence, AGRISUD International, Coopération Nouvelle Aquitaine, MDB,…).
Nisy ny dinidinika ho fanatanterahana ny DPP ka namoahan’ireo tetikasa sy kaoperativa ny hetahetan’izy ireo amin’ny tokony hanamaivanana ny fandraharahana izay atao. Nojerena ihany koa ireo paikady ho entin’ny ministera amin’ny alalan’ny DRIC ho fanapariahana ny Tetikasa Taninketsa Indostrialy na ODOF hanerana ny distrika.
Notohizana tamin’ny fambolena zanakazo fihinam-boa sy fanolorana mari-pankasitrahana ireo mpandray anjara ny hetsika.

?ATSINANANA: Notontosaina ny Zoma 23 Febroary 2024 lasa teo tao Analavory, fokontany Antaratasy, kaominina Mahavelona Foulpointe, ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny taom-pambolen-kazo any amin’ny faritra Atsinanana. Departemanta sy fikambanana maro no nandray anjara, na ny miankina na ny tsy miankina amin’ny fanjakana. Anisan’ny nandray anjara mavitrika tamin’izany ny ekipan’ny Fitaleavam-paritra (DRIC) izay notarihin’ny Talem-paritra Atsinanana, Belalahy Jean Berchmans.

Vous aimerez aussi...