Vaovao Songadina avy any amin’ny faritra Matsiatra Ambony, Analanjirofo sy Menabe

Nandraisan’ny mpanara-maso avy amin’ny Fitalevam-paritra (DRIC) fepetra hentitra ireo fitaovam-pandanjana sy famarana hosoka sy tsy manara-dalàna.

  • MATSIATRA AMBONY: 72 ny kapoaka famarana tsy maintsy nogiazana. Misy amin’ireo mizàna no efa simba ka tsy azo sy tsy navela ho ampiasaina intsony. Izay azo amboarina dia nampanamboarina an’ireo mpanamboatra nahazo fankatoavana. Izany no vokatry ny fidinan’ireo mpanara-maso avy amin’ny DRIC Matsiatra Ambony teny amin’ny tsena Anjoma sy Antarandolo Fianarantsoa ny 30 sy 31 Janoary 2024. Fisavana sy fanamarinana ireo fitaovam-pandanjana sy famarana toy ny mizàna, vatomizana ary kapoaka no nataon’izy ireo tamin’izany.
  • ANALANJIROFO: Nidina ifotony nisava ireo fitaovam-pandanjana teny amin’ny tsena ao Fenoarivo Atsinanana Bazar kely sy Terrain Mayer koa ny DRIC Analanjirofo ny 31 Janoary sy 01 Febroary 2024. 40 isa teo ny fitaom-pandanjana voajirika ka 6 tamin’ireo no tsy maintsy nosintomina satria tsy nanara-dalàna. Tao koa ireo vatomizana tsy misy « plomb » na tsy misy tahony izay tsy maintsy nesorina avy hatrany. Ho tohizana tsy tapaka ary hatao amin’ny ora tsy mitovy ny fidinana toy izao mba hialana amin’ny mety fisiana mizana tsy ara-dalàna misitrika any ambany latabatra fivarotana.
  • MENABE: Teny amin’ny Bazar-Be Morondava sy Bazar Namahora kosa ny ekipan’ny DRIC Menabe notarihin’ny Talem-paritra no nanao fisafoana nijery ireo fitaovam-pandanjana sy fandrefesana ampiasain’ireo mpivarotra. Vato mizana miisa 12 izay hosoka sy tsy voatsara ary kapoaka tsy tokony ho ampiasaina varotra miisa 6 no tsy maintsy noesorina teny an-tsena.

Vous aimerez aussi...