Vaovao songadina avy any amin’ny faritra Menabe sy Alaotra Mangoro ary Itasy

songadina
 

👉𝗠𝗘𝗡𝗔𝗕𝗘: Nahazo fitaovana avy amin’ny USAID Mikajy ny Fitalevam-paritra (DRIC) Menabe. Ahitana latabatra 2, solosaina fitondra mandehandeha 2, routeur Wifi 1 ary Moto 2 ireo fitaovana natolotra ny DRIC omaly Alatsinainy 2 Septambra 2024 ireo, noho ny fahataperan’ny fepotoana niasan’ny USAID Mikajy tany amin’ny faritra Menabe.

Niompana tamin´ny fampivoarana ny tontolo ambanivohitra ny fiaraha-miasan´ny DRIC Menabe sy ny Tetik´asa USAID Mikajy tamin´ny alalan´ny fananganana sy fampiofanana kaoperativan’ny tantsaha mpamokatra misehatra amin´ny fambolena, fiompiana, jono ary asa tanana. Kaoperativa manodidina ny 30 sy Vondron’ny kaoperativa 1 no vokatry ny fiaraha-miasan’ny roa tonta hatramin’ny 2018.

👉𝗔𝗟𝗔𝗢𝗧𝗥𝗔 𝗠𝗔𝗡𝗚𝗢𝗥𝗢: Orinasa kaoperativa 3 no tafatsangana ao amin’ny Distrikan’Amparafaravola ny 29 Aogositra hatramin’ny 01 Septambra 2024, vokatry ny fiaraha-miasa tamin’ny ONG DURRELL.

Ahitana mpikambana 41 avy ao amin’ny Fokontany Andilana Avaratra, Kaominina Andilana Avaratra ihany ny Orinasa kaoperativa HENINTSOA izay misehatra amin’ny fiompiana kankana (zezika kankana) sy fambolena vary sy legioma (ovy, karaoty, voa-maina,…). Miisa 36 kosa ireo mpikambana ho an’ny Kaoperativa FITAHIANA misehatra amin’ny fambolena sy fivarotana legioma, voamaina ary vary ao amin’ny Fokontany Vohimarina, Kaominina Andilana Avaratra ihany. Ny kaoperativa fahatelo di any Orinasa kaoperativa MANOHISOA, misehatra amin’ny fiompiana kankana, famokarana zezika biolojika (kankana, compost) ary fambolena vary sy legioma izay manana mpikambana 12 avy amin’ny Fokontany Ambohimahavelona, Kaominina Anororo.

👉𝗜𝗧𝗔𝗦𝗬: Misehatra eo amin’ny ara-dalàna ihany koa ny tantsaha mpiompy omby vavy be ronono ao Amboalefoka, Distrikan’ny Miarinarivo. Voaentana sy resy lahatra hiditra amin’ny ara-dalàna ny Tanora mpiompy omby vavy be ronono ka niroso tamin’ny dingana fanangana Orinasa kaoperativa atao hoe FIOVANA.

Omaly Talata 03 Septambra 2024 no nahazo fiofanana mahakasika ny lalàna vaovao mifehy ny kaoperativa avy amin’ny DRIC Itasy ireo mpikambana miisa 19 ka maro an’isa ny tanora. Efa tena misehatra eo amin’ny fiompiana omby vavy be ronono ry zareo ka vonona ny hampiroborobo io seham-pamokarana io amin’ny alalan’ny orinasa kaoperativa.

Vous aimerez aussi...